TSY NAHOAKO SAINGY... (Ny Andri - Fara)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NAHOAKO SAINGY

Tampoka loatra ny fahafantarako
Fa inty Nosy tanindrazako ,
Efa ela no nadaboka nazera !
Kanjo nihevaheva tsy hita hoe nahoana ?

Madagasikara tany nahahonina ?
Toera-nipetrahan'ireo razako taloha .
Ahy antsika tsy nindramina...,
Ka nahoana ny hafa indray no tompony ?

Harena sesilany ...Zava-tsarobidy
Vokatra tsy lany kanefa fahantrana no hita !
Iza no namotika , iza no nandrava...Iza ?!
Hay kay Malagasy tahaka ahy ihany .

Hatreto aloha tsy ampoky ny fahasambarana
Na higoka ny hatsembohako...Saingy toa tsy haiko ;
Tsy nahoako akory zato fahantrako...;
Nataon'ny fahavalom-pirenena Gasy tahaka ahy .

Fahalovana , ady politika novolena an-kery setra
Ka ny malagasy maro an'isa no hitrongy fa tsy homana ?!
Malagasy noana leon'ny fahantrana , trotrakin'ny kolikoly ,
Iza no hamonjy , fa izay tonga eo dia voky !

Maro no hianjadian'ny asan'ny jiolahy , ny dahalo sy forongony
Ireo kely mba nanananay noravana sy baboina natao takalonaina!
Aiza kay Ramalagasy sa tsy misy ny vonoina...,
Mba hanao ny sorona ho an'ny Fireneny ?

16.09.2024 = Mbola hitohy Ny Andri-Fara
--------
Lien:
110 1
Fans: SANAKERIB
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142