Fy mailo (Ny Tany)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fy Mailo!Fa nahoana ary re re-olona
Ito anarana no dia natao ho fantatr'olona
Fy Mailo!, toy ny misy andrimasom-pokonolona
Sa natao hifehezana izato bibilava ?.
Mba tsy hamoaka poizina handoro sy handrava!
F'angah tsy nahita anaran-kafa ?
Hoetina milaza amin'ny fomba hafahafa
No dia lazaina sy dradraina
Fy Mailo, hoenti- mamporisika ireo tsy misy saina
Aza tsy mampiasa io Fy Mailo raha tsy hanaraka ny aina
Dia indro ra vehivavy
Nampidera, tsy menatra nampiraviravy
Dia iny ko i le io fa roboka, falifaly!, nangovingovitra
I Fy Mailo amin'izany maka bahana sy vonona avy hatrany
Hiletra sy hitrobaka, tsy ankitsitsy fa izay lalany any dia gorobaka.
Dia faly ery fa atampom-pahasambarana
Tsy nahita izay ivoahana, very hatramin'ny varavarana
Kinanjo, afaka volana maromaro sy taona roa nandalo
Dia iny fa nifangaro tamin'ilay aretina efa fantatry ny maro
Satria, i Fy Mailo nibolisatra tsy naha aro fa nisolifatra.
Fy Mailo, indrisy !!
Mba re re-olona mitandrina sy mailo
Rehefa tsy atokisana, aleo miala , ampidirina ny ankanjo
Fa raha tafatsoboka ao ianao dia ho very sy anjorery
Ka i Fy Mailo tsy azonao ho mena tsiny, satria izy...
.........TSY VITA ETO FA VAHINY......
H.I.M
--------
Lien:
Catégorie :
Kolontsaina - Ady
Fans:
Mael
Commentaires
Malalason
(
05/11/2004 12:47)
se ngah mampiasa an'io?
Mael
(
15/11/2004 06:55)
Slt lou é,
Ny Fy Mailo vé, tsy dé mahatoky firy azy ireny aho , izay n nilazako hoe : rehefa tsy antokisana ny olona iharahana dia aleo ampidirina ny akanjo é, maty eo ko .
Ny Fy Mailo vé, tsy dé mahatoky firy azy ireny aho , izay n nilazako hoe : rehefa tsy antokisana ny olona iharahana dia aleo ampidirina ny akanjo é, maty eo ko .