Ianao (Ny Tsiaro)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noho ianao tsy nitia ahy
Ka tsy nety mba nandray
Ilay fo nomeko anao
Izay nataonao ankilabao
Dia nanjary olon-kafa indray
No nanolorako fitiavana
Satria izy no nandray
Tsy mba nametraka fandavana
Fa zarany koa aza nisy an`izay
F`izy hono hatry ela no efa nitia ahy
Dia niezaka aho hifankatia taminy
Izy koa nanampy ahy mba hanadino anao
Nefa ny nataony, tambitamby, teny maminy
Toa tsy mba nahafeno ny banga taminao
Mba ho fitiavana azy dia niezaka ihany aho
Nanao izay fara-heriko mba hanadinoana anao
Saingy indrisy fa tsy nety, tsy mba nety voasolony
Tsy mba nety ho ampy ahy ilay fitiavana natolony
Fa ny takian`ny foko isan`andro vaky izao
Ny antenainy sy ilainy dia tsy misy afa-tsy ianao
Ka na inona na inona nataon`ilay tia ahy
Dia tsy nanaiky mihitsy ny fo sy saina ary fanahy
Fa tsy misy afa-tsy ianao, ianao irery ihany
No nirin`ny fo adalako, nandrandrainy hatrany hatrany
Fa ilay iray izay mba nitia toa tsy nety mba notiaviny
Fa ianao ilay tsy hita ihany no takiany sy tadiaviny!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2246 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096