Afo-mololo (Ny Voaroy )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Afo-mololoMaro ireo manao masoandro ririnina
No manembona ny andro hihaonana
Kanefa aleo masoandrobe lohataona
Ka tsy hihovitr'izay fahasosorana.
Ondry lahy diso ketsa ny zatovo ety
Ka zary mahasahy manome lasiventy
Taitram-pitiavana tsy tonga volana
Ka lasa manavy mamihina ondana.
Haingon'ankizin'i Mandiavato
Ny jaboady ivelany, fa ny somizo no anatiny
Ka manjary fanaon'ny ankizy vantony
ny mampidera ny rembiny amin'ireo mpanarato.
Tsy main-tsy lena, mazàna toy ny andro ririnina
ny mpifia-dranomaso nilaozan'ny tiana,
dedak'afo-mololon'ny mpiala sakana,
am-boalohany ihany iny fa tsy fara fofon'aina.
Ny Voaroy 03/10/23 07:30
(Niranty nandritra ny herinandron'ny Havàtsa 2023, tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, 24 hatramin'ny 28 Oktobra 2023)
--------
Lien:
