DINA (Ny Voaroy )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DINANy fitiavako tsy mba matory,
ary io koa tsy maty vonoina,
fa raha toa io mijaly sy ory
dia noho ilay raozy tsy tiako holotoina.
Ny foko raha sendra alahelo
dia zavatra tsy inona akory,
fa ditsoditsoka mamelovelo,
fa izany no iri-mahaory.
Matoa mihodinkodina ny saina
dia mihevitra izay mahasoa,
raha ny tiako aminao Sombiniaina
dia ho olom-banona tsara tokoa.
Vetsovetsoko izaho samirery
ny zava-bitako rehetra tety,
fa ny fitiavako anao tsy ho very
ambara-pandaozako ity tany ity.
Ny Voaroy 15/03/24
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
