Embona (Ny Voaroy )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EMBONA
Mihiaka malefaka foana
ny lasa tsy lefin’ny taona,
sary ampitain’ny volana ambony,
mampanembona ahy tsy hitony.

Ny hirahira fanao fony zaza,
ny takariva izay tena malaza !
O, ry Fanadinoana ô ! Avia !
Mba hitsinjaka hiaraka handihy.

Mipatrapatraka toa patrakala
ny alahelo raha lavi-malala
O ! Fahatsiarovana tsy mba mitony,
Ny fahiny tsy hiverina intsony.

Raha lisy naniry hatrizay
no miverina hamelana indray
dia tsiaro no mahatonga izany,
tonga embona tsy mety ho lany.

Ny Voaroy 17/03/2025
--------
Lien:
Catégorie : Embona
108 1
Fans: Papango1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111