Ilay Manjakamiadana (Ny Voaroy )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY MANJAKAMIADANA

Taona maro lasa izay, mitamberina, tadidy
Vaninandro nahamay ny Rovantsika sarobidy
Tsy hamoha fota-mandry, nefa kosa mba tsarovy
Fa vatan-drindrina no sisa, noho ny saina tsy mitovy

Hokoloina fatratra ireo kely sisa mba tavela
Tamin’ireo haren-tsaina sy ny rakitry ny ela
Fa ny zava-nisy izay niseho, dia horaketin’ny tantara
Amin’ny fiainam-pirenena eto Madagasikara

Tamin’ny enina Novambra dimy amby sivifolo
Ny vaovao nampihoron-koditra sady nampitsangam-bolo
Takariva tamin’izay, tamin’ny enina sy dimy
Tara-mena nidorehitra iny vodilanitra iny

Nisarika ny sain’ny maro ka nanaitra izay nijery
Nipololotra ireo setroka avy eny am-baravarankely
Vao minitra vitsy monja dia nananika ny tafo
Nila hahatakatra ny lanitra ny fidedaky ny afo

May ny Rova, may ny Rova, izay ny resaka nandeha
Hatreny an-tokotany eny ka hatreny an-dalambe
Ny andro anefa tamin’izay mihamaizina ihany
Ireo manodidina sy akaiky, nihazakazaka nankany

Nisy ireo avy any ivelany izay tonga tsy nantsoina
Niara-nifanome tanana tamin’ireo mpamonjy voina
Niezaka namonjy ny enta-maro tany ambony
Fa kila hatramin’ny fitafian-dRainilaiarivony

Ny sasany nanao an-dranomaso nitomany tamin’izay
Namonjy ireo tahirim-bakoka hany sisa mba tsy may
Fa mba iza no atidoha nikotrika ny asa fandoroana
Samy nanontany tena noho ny fifanjevoana

Nalahelo ny vahoaka, indrindra fa ny fitondrana
Nanameloka izao ka nampihatra ny lalàna
Iza loatra lahy raha mbola Malagasy koa
No nahavanona ny loza sa va re kitoatoa ?
 

Nanimbazimba sy nandoro tamim-pahasahiana
Tsy tahotra, tsy henatra, nanao fanahiniana
Ny raharaham-pirenena tsisy miafina amintsika
Fa mety ho fahasorenana vokatry ny pôlitika ?

Naringana avokoa ka simba endrika sy niova
Hatramin’ny hazo izay naniry teny an-tokotanin-dRova
Ireo aviavy sy amontana maitso mavana aoka izany
Fialofan’ny Tandapa hatramin’ny fahagolan-tany

Ireo mpanoha-riana hotsarain’ny tantara
Amin’ny zavatra nataony na ny ratsy na ny tsara
Fa na hisy fanarenana aza, moa ny endrika taloha
Ho azontsika antenaina fa ho voaverina tokoa ?

Lava ny resaka raha zohìna sy hotarafina
Fa ny ankamaroan’ireny dia mifono zava-miafina
Mbola maro mihitsy koa ny tokony hotenenina
Fa ireo aloha no voasoratry ny penina.

NY VOAROY, in Singo-panahy
--------
Lien:
Catégorie : Fahatsiarovana
21 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0102