Saranga (Ny Voaroy )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SarangaNy omby mahia tsy lelafin'ny namany
Efa faheno matetika izany
Fa raha ny mavo lamba no mividy hena
Akory tsy fantatry ny olon-ko liana.
Mahavoa fady toy ny anan'amboa
Raha ny mpanambola no hoe hanao soa
Fa lazainy ho tamana ny an-toho-jinga
Ka intsony tsy velon'ny ankararana.
(...)
Malahelo raha monina amoron-tsena
Dia be sitrapo fa tsy ampy fanaovana
Ka zary lambo mikaikitra moka
Tsy hanin-kahavoky iny fa vaza-mihetsika.
(...)
Ny Voaroy 30/09/23 22h30
(Niranty nandritra ny herinandron'ny Havàtsa 2023, tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, 24 hatramin'ny 28 Oktobra 2023)
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
