Soa fa ... (oceane)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soa fa nisy ilay nofy…
Namerenana ireo lasa
Nampatsiahy minitra vitsy
Fa hay mbola any ianao

Tsy mbola lefy am-poko
Ny momba anao rehetra
Tsy voafafa akory
Ireo potika fitia

Tsy mety anefa izany
Ny foko tsy tsara raha mankany
Satria efa manan-tompo
Olon-kafa noho ianao

Kanefa …
Toa ianao no vetsoiny
Toa ianao no antsoiny

Asa, aiza ianao izao
Tsy hiniako tadiavina
Tsy hiniako zinavina

Toa tsinjoko sahady
Fa sambatra any ho any
Anilan’olon-kafa
Somokotra mitafa

Tontolo hafa mihitsy
Tsy misy ny tandindoko
Tontolo iray vaovao
No lasa hiainanao

Any ho any …
Ianao sy ilay safidy vao
Eto kosa …
Izahay sy ny alokao

Ilay foko toa tsy mety
Hiatrika ny anio
Ny foko toa tsy mety
Hitodika ireo lasa

…………………
Soa fa nisy ilay nofy
Nampatsiahy minitra vitsy
Fa ny miherika anao
Tsy ho azoko intsony hatao.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1376 0
Hevitra mandeha
Miarantsoa ( 12/03/2007 15:33)
Soa fa nisy azy nampisy nofinofy,
Raha tsisy angambany izy ...Foana teo ny nofy.
Mamia ry fahoriako!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : oceane
Nampiditra : nahrindra
Daty : 06/03/2007 09:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096