AIZA! MIVERENA (OLLIE)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia lasa tokoa mantsy ianao
Tsy niloa-bava,nampiomana akory
Tsy niverina,sahinao ny nandao
Ilay fitiavana tato anaty ,efa tony

Manontany tena aho fa hoe nahoana?
No nahatonga anao sahy tsy niverina
Tsy niady, tsy nisy koa fifamaliana
Fa na ny misy anao aza tsy notenenina

Mandeha ny saina, fa inona ihany?
Ny mahavariana anao any ho any
Miran-dava sa mba malahelo ihany
F'izaho eto marary, lasa vinany

Tsy matory alina nefa mbola hifoha maraina
Mitebiteby,miahiahy sao ianao tsy hiverina
Izay eritreretina rehetra toa mampanahy
Lasa ny saina,hany ka mivezivezy ny fanahy

Tsy fantatrao tokoa ny alaheloko
Tsy hitanao,tsy tazanao ny fijaliako
Tsy rénao ny fitarainako, ny fanaintainako
Tsy tsapanao koa ny ngidin'ny fiainako

Fa aiza ianao e! aiza foana?
Izay ataoko rehetra toa zava-poana
Rahoviana ny hiverenanao indray?
Aza ela fa mijaly aho ka tomany

Mivavaka aho,ho anao,ho antsika koa
Ho soa hatrany anie ny fiarahantsika roa
Mba tsy ho foana ny fiarahana efa natao
Tiako ianao ary tiako foana hatramin'izao
--------
Rohy:
2252 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : OLLIE
Nampiditra : ollie
Daty : 10/10/2006 20:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102