FAKA ... ITIAVANA (Rainmbah)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAKA ... ITIAVANAMoa aminao ve izay kanto sy soa
No tiana ho namana ho mamin’ny fo ?
Sa ireo bikana sy izay be harena
No tiana ho azo sy ho an’ny tena ?
Nefa tsy izany no antony hitiavana,
Ka aoka ho lazaiko aminao re rahavana
Fa ny toetrany aloha no tsara jerena,
Dia eo no misaina, mitsara ny tena
Ny toe-panahiny koa manaraka izany,
Tsy hodian-tsy hita sy halatsaka ambany.
Fa ny hery manambatra ny olon-droa
Dia ilay tena fitiavana izay avy am-po.
ANDRIAMAHEFAMANANA Fanambinantsoa
24 Febroary 1994
--------
Lien:
Catégorie :
Tontolo iainana - Namana - Mariazy - Fitiavana - Fisarahana - Fifaliana - Fiainana - Fampaherezana - Eritreritra mandalo - embona