Tsy izany... (randria)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy ny lalàn'ny fiaraha-monina,Na ny didin'dry mompera,
Na koa tondo-molotr'olona,
tsy izany velively!
fa ny eo ampela-tànantsika...
tsy ny bedin'ny lehibe,
Sy ny tahotra baraka,
Na ny ozona miantefa,
...tsy izany hoy aho anao!
fa ny ao anaty mahatsapa...
tsy ny eso isanandro,
tsy ny lohanao miondrika,
tsy ny famoizam-po,
tsy izany sanatria :
fa ny fiatrehana ady...
tsy ny firavoana indray mitobaka,
Na ny fety zay mandalo,
Sy ny hambom-pon'ny mpianakavy,
Ny ho hita ety ivelany,
fa ny fo mifankatia...
tsy ny ho hita maso ihany,
ary tsy zay azo tsapain-tànana,
Na koa ny eo ho eo foana,
tsy izay no fahasambarana,
f'izaho sy ianao miara-mita...
tsy voatery ho ireny,
tsy ny fitsinjovam-boninahitra,
ary tsy ny elanelan-tany,
tsy izany mihitsy fa :
ny fitiavana mahery...
tsy ny fitarafantsika ny hafa,
Na ny reha hoe : mahavita,
De hitangoronan'olona,
tsy izany sombinaiko...
fa ny fiainana ao aoriana...
tsapanao ve izany ?
mba azonao ny tiako ambara ?
meteza ianao amin'ny toerako...
fa tena mafy ny ady ety...
meteza ho tsaraina,
dia tsy hisy intsony tsiny..
Ary... mahareta somboniaibo...
R.J.O.
--------
Lien:
