Azoko mora (Ra'Ony)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nomeko ny tokyNampiako famatsiana toy ny boky
Dia indro ianao falifaly
Toa milaza hoe afa-jaly
Ka mamoaka mora foana
'zay tiako, amin'ny fotoana
Kanefa izaho manao 'zao sy 'zao
Dia ny hividianako anao
Raha vao mitady hitroatra
Mitady ampamoaka,
Dia mody lasa aho mitsoaka
Ka manome indray fanampiana tsara voatra
Dia io fa mifaly indray
Ngamba tsy tsaroany 'zay rehetra may.
Kanefa ny ato an-tsaiko
Dia ny zavatra hilaiko
Ny hahazoana ambongadiny
'zay rehetra ananany
'zay lazainy ho fananany.
--------
Lien:
Catégorie :
Tanindrazana - fiainana