FITSINGERENANA (Ratax)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa ka fetinao ny anio,
Dia izao no tadidio.
Ny fiarabana atolotray
Avy ao ampo fa aza manahy.

Mifalia hatrany hatrany,
Zarao tsiky izay tomany.
Fa ny soa atao anio
Hivaly soa tadidio.

Ny andro nahaterahanao,
Mitsingerina tokoa.
Koa mitsangana ianao izao
Raha toa ka mbola tsy mifoha.

Dia anontanio ny tenanao,
Hoe itondra inona amina,
Izao fahalehibiazanao,
Hoarina amin'izay vitanao??

Ratax...
--------
Lien:
Catégorie : Embona
227 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ratax
Inséré par : AlphaTokiniaina
Date : 14/08/2023 07:56
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141