RAHA MBOLA IZY (Ratax)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny o! Lehibe aho izao ka tonga saina,
Afaka misaina ireny lasa ka itanisa izay mba ho avy.
Ny ho avy izay voatery ho ahy,
Ny ho avy feno ahiahy.

Toa iny lasa tsy tsy noheveriko,
No zary ngindy toy ny nenina.
Toa nylasa izay tantely no indro vahona sotroina.
Aiza ianao ry neny, ilay nandrara tsy no enoiko.
Moa ve ilay voatokana ho ahy dia nafoiko e?

Miangatra ny tany raha izay no valin'kafany,
Tsy mba nisy ala-nenina na hafatra napetrany,
Fa avy hatrany dia tomany no ibanjinana ny fasany?

Lasa ianao vao tsapako eto ilay hoe: Neny,
Ilay narary hatramin'izay ho tari-dalana ho ahy,
Fa lasa ianao vao tonga ny ahy ilay fitiavana...
Fitiavan-tenako hatr'izay,
No isotroako mamay,

Ty zaho! Voadona vao nahy nivily,
Nitondra vao nahay namily.
Ny adinao tety izay no lefona tsy lefy fery,
Ny ferinao dia ho zakaiko, mandrapahatapitra ny aiko..

Ratax...
--------
Lien:
Catégorie : Embona - Fitiavana
274 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ratax
Inséré par : AlphaTokiniaina
Date : 14/08/2023 07:55
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146