Aza sangiana ny foko (RAVINALA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza andramanao akory ny miteny hoe tiako ianao
Raha mbola tsy matoky tanteraka ny fitia izay nomeko
Aza andramanao akory ny miantso ahy hoe malala
Raha toa tsy mbola fantatrao akory ny onjan'ny fitia

Fa fiainana io mantsy ka aza ataonao ho kilalao
Aza akory indray manandrana mandratra ny ao am-po
Hampitera-dranomaso hampitanondrika sy hampitoloko;
Tsy hotatinao akory raha izany todin'ny fitia manjohy eny an-dalanao eny
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
228 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145