NY ORA SY FOTOANA (RAVINALA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ora sy fotoana moa manam-petra
Ka hisakana ny foko sy ny anao tsy hifakatia ?

Ny ora sy fotoana moa voafehin’ny elanelana
Ka hahatonga antsika koa hifanadino rehefa mba hisara-toerana ?

Ny ora sy fotoana moa ho azoko tenenina tsy handeha intsony
Hanery ny fiainan’olon-droa ho foana tsy hanohy ny ao am-pony ?

Ny ora sy fotoana ve azo ho sakanana
Tsy handraisako ny tanan’olotiako rehefa iray lalana ?

Ny ora sy fotoana ; sanatria izay hitsahatra na hoe hitoetra,
Io fitiavako io na azera sy pepoina : ny am-poko tsy hitony fa hitia tsy misy fetra.
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
178 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143