HAY... (Ravo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro izy tonga indray, hizara hafaliana anaty tsikitsiky; jerena ho tena namana mpiara-dia hamikiviky
amin'izay aleha sy hodiavina amin'ny fiainana,
rahalahy an'ala ho fitodihana hitarainana.
hay ...
sakanany ny lalana izorana ho amin'ny tsara,
fenoiny fandrika sy lomotra, handratra fa malama;
raha tokony ho fidirana ny eo am-baravarana,
eo no anokoany resaka tsy ho azo andinganana.
ny resany amin'izany, raha mba hoe mitafatafa
dia mitantara ratsy sy fifosana ireo hafa;
tsy ampy azy ny mandainga fa ny maloto aza loarany
hentina hanosoram-potaka ireo tsy hainy ihoarana.
angamba koa, an-takona, izay ataony tsy hay intsony
na mamonto tapakazo sy karazam-panafody
fa ny hita miharihary dia indro izy tonga indray :
tsy am-pahibemaso milalao ody fa mpamosavy mahay.
nosoratan'i Ravo, na André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
--------
Rohy:
Mpakafy:
TosakaMg
