Ambohitrimanjaka (Jeankely Razafimamonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao am-pitakelin'IarivoNo misy ilay tana iray
Tsy mba maro mpanarivo
Tao no nahabe anay
tanana kely mangingina
Tsy dia be mpahalala loatra
Lavi-java mahaliana
Tao izahay no nitoetra
Tsaroako loatra ireo tantara
Nolalovan'ny fahazazana
Tao ny ratsy tao ny tasra
Nefa dia nahatamana
Ao daholo ireo sakaiza
No mandranto sy mizaka
Tsy ho adino n' aiza n' aiza
Ny any AMBOHITRIMANJAKA
--------
Lien:
Fans:
gasyjean
Commentaires
nikopol
(
28/06/2005 13:25)
gasyjean aiza moa le Ambohitrimanjaka io fa ohatra'ny efa reako ? eny akaik'i Merikanjaka ve ? sa aiza ?
gasyjean
(
29/06/2005 12:25)
nikopo: AMBOHITRIMANJAKA dia ao amin'ny fivondronan'
AMBOHIDRATSIMO izanyhoe eny amin'ny digy mampifandray an'Iarivo sy Ivato.
AMBOHIDRATSIMO izanyhoe eny amin'ny digy mampifandray an'Iarivo sy Ivato.