Dada & neny (Jeankely Razafimamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mirana tokoa ny saina
Faly sambatra erý
Satria manan'antenaina
Dada sy neny ahitana fý

Anarana mamin'ny fo
Mahatretrika aoka izany
Anarana tsy mety lo
Fa mitoetra hatrany hatrany

Tsapa ny ngidin'ny fahazazana
rehefa tsy eo anilan'izireo
Mihatraika hatramin'ny hatanorana
Ny alahelo no mibahana eo

Na iza n'iza no toa manoloana
Hisolo toerana azy ireo
Toa hita fa very fotoana
Fa tsy hahavita ny vitan'ireo

safosafo tambitamby no azo
rehefa mitaraina reraka
Rehefa mitady dia mahazo
Hafa ihany ireo niteraka

Dada,neny no tsy afaka a am-bava
Mamy ireo ka tsy mety adinoina
Ronono sy tantely am-bavan-jaza
Masoandro mibaliaka tsy laitra vonoina

Ianareo ry Ray sy Reny
No reharehanay hatrany
Olon-kendry toan-teny
Ka mahasambatr'aok'izany.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
2047 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 13/08/2005 18:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138