Ny tsiky (Jeankely Razafimamonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hasamabarana ao am-poHafaliana ao an-tratra
Maharavoravo fo
Omena ireo 'zay tsy zatra
Tsy voavidy vola na harena
Fa omena maimaim-poana
Tsiky kely tsy mba noterena
Miran-tava ,faly foana
Tsiky anehoan-tsarikana
Tsy handaniana hery lehibe
Ireo kanto sy meva ao an-tanana
Tsiky no handravahany tarehy
Tsiky maneho fifaliana
Sento sy tomany avela any aoriana
Marika mahagaga sy mahaliana
Izay mahitanao dia sondriana.
--------
Lien:
Catégorie :
Hambom-po
Fans:
Arimalala