AZA TAPERINA NY ORA (Rinhary na i rakoto-rakotomalala rivoniRINHARInala)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola hisy hatrany ny orana hitete,
Etsy kely anie:
Ny an-tany hisy ho lena.

Raha mbola hisy koa, ary ekena,
Amin’ny lanitra ny rahona,
Tsy maintsy hisy ho takona.

Raha mbola ho tany koa ny tany
Ka hiodinkodina hatrany hatrany,
DIa mboka hisy rivotra hitsoka
Hamanala, hangatsiaka.

Fa, tsy izay fahoriana sy izay alahelo
Miserana sy mandalo
Ka mampangidy mihintsy izany rora
No andeha hamaranana izato ora.

Rinhary
(rakoto-rakotomalala
rivoniRINHARInala)
2018
--------
Lien:
109 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2776