MANDEHANA (RMLYDIA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANDEHANA!!!Tiana hono ny zaza
Fa rehefa manaiki-nono ahifika ihany
Dia tadidio fa toy izany koa ianao
Na dia tiako aza , ny fitiavako tsy kilalao
Raha noana hono ny kibo
Mivezivezy ny fanahy
Fa raha olona iray no tsy tia
Eny , tsy atao ankahia
Fa na dia ny vodin-tsobika aza
Dia mba manana ny tandrifiny
Koa aleo tsy mampijaly tena velively
Raha olona iray no andeha hanome fery
Ireo voro-manidina any an-tsaha
Indro aza mbola misy miraharaha
Koa nahoana aho no hampahory tena
Fa rehefa tsy tia ianao , dia indro koa fa avela
Ny anjara koa tsy mba midify
Fa samy manana ny tsirairay
Koa raha ny fankahalanao tsy mba hiafiko
Fa efa maro loatra ka nahafay
Koa mandehana dia mahereza
Fa raha lasa ianao tsy izaho no ho very seza
Fa isika anie dia ho tsarain’ny tantara
Koa soava dia fa izaho tsy handrara!
RMLYDIA 19/03/2009
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
