Fanantenana tsy maty (RODER)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fanantenana tsy maty Vehivavy tiako, fa tsy tia ahy
Mandratra fo, mampanonja saiko
Mampangirifiry ny alina mangina
Kanefa tsy mahafoana ny faniriana
Izany izy ry zalahy anie
Fitiavana tsy mora ialàna re
Na dia laviny aza ny foko
Mbola mitana fanantenana kely ao anatiko
Hihemotra aho, tsy hanery intsony
Fa ny fitiavana tsy atao gony
Raha toa ka leo misafidy ianao
Aza adino fa nisy tia anao
Adidin-dehilahy ny mikolokolo
Tsy teny foana fa fony manontolo
Mba hahataraiky anao am-poko
Hitoetra ho iray, tsy hisaraka akory
Ka raha indray andro mahatsapa ianao
Fa izaho no tena ilainao
Efa vonona ny foko sy fanahiko
Hanambady anao, ho doria amiko
RODER,2 Mars 2026
--------
Lien:
Commentaires
RODER
(
02/03/2026 12:21)
Fitiavana romatika
