ILAY ENDRIKAO (samiir lien'ju Rafaralah)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy ny rano anala
Izay madio mangarahara
Tarafan'ny tara masoandro
Ka mamirapiratra aok'izany.

Toy ny raozy anaty vazy
Izay tsara kolokolo
Mamelana sy maha te ho tia...
...Ka mamerivery dia.

Tsy toy ny vorondolo mampatahotra
Fa toy ny voromanga mahafatifaty...
...Izay tsara feo tokoa
Ka mambabo ny ao anaty.

Dia toy izany ny endrikao
R'ilay domoina ravaky ny foko
Ilay hany tokana mpanjaka
Tsy anatin'irony lapa...
...Fa anatin'ity fisoko.
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
1269 1
Fans: Naje
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145