Ampidiro aloha ny tenimiafina
TSIARO NY FAHINY (samiir lien'ju Rafaralah)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misento manirery ahoMahatsiaro indray ny lasa
Fa ilay tantara efa vita
Toa tsy mety ho voafafa.
~
Hiezahako totofana
Nefa voa maika toa mitsimoka
Ra mbola tia anao aho
Angamba tsy ho tsiniko.
~
Ianao tokoa ilay tokana
Nanborahako fitia
Ka ny anaranao tsy ho adinoiko
Mandrak'izay doria.
~
Miraikitra tsy miala
Toa mila halasa adala
Satria toa vita sokitra
Izay tsy mety ho fafana.
~
Ilay tsikinao malefaka
Tiako mbola hitoetra
Mbola tsy foana tato anatiko
Ny momba anao rehetra.
~
Mbola tiako raha miverina
Eto izany ankehitriny
Tsiaron'ireo lasa
...Lasako fahiny.
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
