ILAY (SCOTLANDYARD)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay fijeriko anao, somary malefadefaka iny raha mifono hevi-dalina,dia aoka tsy ho tsiny
Ilay fibanjinako anao, ilay fitopy angalarina
dia midika zava-maro, izay tsy sarotra fantarina
ilay fitsikitsikiko iny , raha vao mahita anao,
tena te hanambara mafy, izay miafina ao am-poko ao
ilay hamiranako iny, tam'izato tsikinao
tena mahate-hanomboka, tantara hafa vaovao
ilay rehefa mandehandeha, irery iny isika roa
tsapako mihitsy hoe, tena mifankahazo am-po
ilay rehefa hody ianao, ka izaho ilay malahelo
dia mitondra nofy mamy , mamy ho tsiambaratelo
izany rehetra rehetra izany, , no natambatro , kajiako
ka mivaly toy izao : ianao anie ka tiako
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Commentaires
tonnyy
(
11/11/2007 18:28)
vakio le ditran'ol fa tsy ara _ drafitra io e