MAHATSIARO ANAO NY FOKO (SCOTLANDYARD)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHATSIARO ANAO NY FOKOMahatsiaro anao ny foko
Tsy haiko hoe maninona
Ny saiko moa dia mioko
Tsy hitako atao inona
Mahatsiaro anao ny foko
Miridan-tsy voafehy
Manosonoso-doko
Ilay sarinao mihomehy
Mahatsiaro anao ny foko
Ka feno nofy anao
Ilay fitia an-tsokosoko
Tena mbola ao
Mahatsiaro anao ny foko
Ka indro aho valalanina
Eny na tsy zoko
Fanina aho fa manina
Mahatsiaro anao ny foko
Ry fitia voarara
Izaho aty te-hijoko
Hanohy indray ny tantara
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Commentaires
Soarilala
(
25/05/2010 14:01)
Mahagaga fa arakaraky ny handraràna vao maika koa mampiredareda ilay faniriana !