HERY ANATY RATRA (Singam-pitia saropady (MAHARITRA))
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HERY ANATY RATRA Indrisy ry fon'olombelona
Mora mitia fa malaky maratra
mora manaiky ka avy eo mora vaky
Mora miatsambotra an-tratrany hafa
Fa kosa indrisy toa sarotra hialana
Ny fon'olombelona
Malemy marefo
Fa kosa raha lavo
Hiarina avy eo izy ho mpanefoefo
Ho mpanefoefo malemy fanahy
Hizara fitia marina tsy hanananao ahiahy
Ho fo mahay mifidy izay tokony ataony
Satria anatra ho azy ny fery mitoetra
Nanefy azy ho mafy sy hatanjaka indray
Ny fo efa trotrakin'ny ady nisesy ?
Tsy hilofika intsony amin'ny zana-tsipika
Hananany ny hery sy tanjaka tsy ho lefy
Ka izy eo hisedra ho solona fefy
Fo efa ketron'ny olatra maro
Tsy hiery hiafina donam-pitia
Fo raparapa fa kosa hiaro
Ny hoaviny rehetra tsy hikodia
#SINGAM_PITIA_SAROPADY
06 Febroary 2026
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Singam-pitia saropady (MAHARITRA)Inséré par : SingampitiaSaropady
Date : 07/02/2026 07:46
