Neny (Sombiniaina Rakotoarivony)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitiavako anao ry neny tsy atakaloko an'izaIanao irery iany no tiko indrindra indrindra
Ianao ilay nikolo sy nahitako masoandro
Nanome satroka ahy indrindra refa may ny andro
Tiako loatra ianao ry neny, eny niaritra ny ditrako
Ka mankarary ahy raha ohatra tsy hitako
Aza ilaozanao aho raha toa ka azo atao
Tsaroako foana ianao rehefa iny tsisy atao
Ilay safosafo loha mampatory ahy isan'andro
Ilay alainao avy nianatra refa tonga ny atoandro
Dia midongidongy kely ilay tsy manaiky mihitsy
Hanarinao foana fa tsy mba mety ahitsy
--------
Lien:
Catégorie :
sitraka sy setriny - Fahatsiarovana
