tsisy afatsy ianao (Sombiniaina Rakotoarivony)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
manina anao aho ry 'lay tikony ahita anao no faniriko
ra mba eto anilako mantsy ianao
dia tsy harary toy izao aho
ny eo anilanao no fahasambarako
ka ho mandrakizay ny tantarako
toa nanofinofy zah ndray andro
tsy aiko, mety ho nofy atoandro
tiko ianao, tiko loatra
tiko ho tsapanao 'lay fitia miha-mivotra
inona re no ataoko mba ahatsapanao izany
fa rah ny ahy aloha dia tsisy afatsy ianao no eto antany
--------
Lien: