Izany rehefa tia (Tahina Fabien)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny anky ry sombiniako
Holeferiko ny safidinao,
Na dia ratra-po amoizako ny aiko
Dia ho zakaiko tsotr'izao.
.
Tadidio anefa fa malama maina ane ny tany,
Ilay endrikao falifaly anio,mety isolo tomany;
Ny lanitra andrahona,hiloko maitimanty,
Isopatra tsy lera,hakivy ity sombiniako.
.
Iriko tsy hisy anie izany rehetra izany,
Fa kosa a,ho kanto ny tontolo,voaravaka voary;
Eo atratran'olotina,izay asolonao ahy
Tsy hialona aho ankory fa aza manahy.
.
Ny ahy moa iny safidy fa tsy anjara,
Reny lasatsika reny boky rakitra tantara,
Hisainana ny hoavy,souvenir ihany koa;
Ilay tokako any sambatra dia ho tony ny ambom-po;
.
Tsy atoako be safarina fa maleova malasaha
Ho lavitry ny jaly,fa hiaina ampifalina
Ho tany lemaka avokoa anie ireo lohasaha,
Raha manembona miantsoa,aza menatra vagina..

"VENTSOKO MANGINA"
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
2622 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0139