Ekipa mpiray fanantenana (Tahina Ravonison)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao amin’ny Tompo dia mifanompo fa tsy mifanopa tsy mifanoto
mifanoro sy mifanohana fa tsy mifanosika tsy mifanolana
mifanafaka sy mifangataka fa tsy mifangalatra tsy mifangarika
mifanampy sy mifanitsy fa tsy mifanary ary tsy mifanilika
mifampiaro sy mifampizara fa tsy mifampijaly tsy mifampigafy
mifamporisika, mifampivavaka fa tsy mifampigidraka tsy mifanavakavaka
mifandinika sy mifamihina fa tsy mifaninana tsy mifampihinana
mifandefitra sy mifandranitra fa tsy mifandrangitra tsy mifamandrika
mifanohana mifampiandry homana fa tsy kendry tohana, tsy manoro vohona
mifanome aina sy miray saina fa tsy mifanjana ary tsy mifandaka
mifamangy sy mifanainga fa tsy mifampiampanga tsy mifandainga
miara-paly sy miara-ory fa tsy mifamaly sy mifampitory
mifampatoky mifamoky fa tsy mifampisoloky tsy mifandroky
mifanaraka sy mifanarina fa tsy mifandraraka tsy mifamarina
mifandrimbona sy mifaniraka fa tsy mifandreraka tsy mifanebaka
mifanahaka sy mifananatra fa tsy mifanjanaka tsy mifandramatra
andao handrindra sy handroso mba handrava sy handresy
hiaradia, hanakodia am-paladia ny fahavalo resy
ilay Satàna noraràna tsy hotamana eto an-tanàna
vita izany fa manana fitiavana finoana sy fanantenàna
izay no vetson’ity votsa, visavisa sy vinavina
tsy hiverina tsy hivarina tsy hivily tsy hovariana
ny tarigetra sy tanjona dia hiaraka ho an-tany Kanàna
ho tonga hatrany amparany ny ekipa mpiray fanatenàna

Tahina RAVONISON
--------
Rohy:
662 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tahina Ravonison
Nampiditra : hery
Daty : 17/10/2019 18:29
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0971