Tonom-bavaka (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tonom-bavaka

Ray o ! mivavaka aho anio
Ho fisaorako anao tamin’izany rehetra natao
Ny fitantananao nampandroso tamin-kery
Tambany elatrao, no nialoka tsy ho very.

Ray o! mivavaka aho anio
Ny hiarovana ireto sombin’ny aiko
Tantano sy vimbino mba tsy hanadino
Fa Ianao ihany no aro sesilany

Ray o ! mivavaka aho anio
Ny hitahianao izay rehetra mbola hatao
Omeo fahendrena ahay hanetry tena
Ary koa fanantenana ka tsy ihanahana!

Tatamo Ravaky Ny Farihy
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
1697 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0421