Vavaka maraina (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray o! misaotra Anao izahay anio
Noho izato andro soa
Masoandro mibaliaka
Manazava, mampihiaka
Ray o ! anio no hisaoranay Anao
Tamin'ireo zavatra natao
Ianao hitarika ny dia
Ahatonga anay hatrary
Omeo ny fitsimbinanao
Tantano mafy tsy handao
Tolory fahendrena koa
Ka hikatsaka ny soa.

Ray o! tahio ity taninay ity
Ilay Madagasikara soa
Tohany re ry Ray Tsitoha
Hitraka be be kokoa
Ray o! apetrakay aminao anio
'Reo osa mba tadidio
Omeo ny tarapahazavana
Tsy ho kivy, tsy ihanahana
Ka na sakafo ambany foitra
Omeo fitia ka tsy hitroatra
Vokiso hery sy fanantenana
N'inona ola-migodana.

Tatamo Ravaky Ny Farihy
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
2065 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143