Mandram-pihaona (Ny tohaina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etsy ianao fihinikofaraparany eto an-tratrako
Anaovako ny veloma sy mandram-pihaona lahy
Etsy ianao tantanako
ho porofin'ny fitiavako
Na handeha aza ianao,eny efa ahy
Etsy ianao bitsihako
ny tsiambarantelon-tsika
Dia ny teny hoe " tiako ianao " ,hamerina ny tsiahy
Etsy ianao horohako
ndrao aho tara aoriana
Ka tsy afaka intsony raha mipoitra ny ahiahy
Ary etsy ianao hafarako
ireny voadin-tsika ireny
Ka aza avela ho azon' ilay fankampanahy
Penina Misioka
(Tohaina)
--------
Lien:
Fans:
haraldtohaina