Tsy azoko? (Tsiky Andrian)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa toa tsy tao ampoko sy tsy aiko takarina izay zavatra rehetra miseo.Fa toa feo amborina sy rivotra malefaka sisa no reako mitoreo
Mandefa feo malefaka sady mitaraina mafy
Hoe...
Mbola ho avotra ve ny tontoloko sa ho potika nohon'ny gafy?
Noho ny gafy sy ny etraketrakin' ny tsy mahatao tody,
ka nefa izao no tsarovy dia mihevera fa aza manody
Toa tsy mba tsapanao akory ny hirifiry ny fitarainako
Fa toa mbola fandanjana miampy ozona aza no azoko sy iainako
E,tsarovy fa misy farany raha ny zavatra atao!
Fa ny Andriamanitra tsy andriny,mbola andriko hatramin'izao.
Raha iny aho misento mandinika ny zava misy
Ianao toa lasa saina ,manotany tena hoe ,fa aizan'ny Tsiky?
Fa nga? very fanahy no toa toravana sy maloka
Ka nefa aza atao mahagaga anao fa ny fiainana mihasarotra
Dia izany no mahatonga ana tsy nahenona feo.
Satry mandinika ny zava misy no lasa saina mitoreo.
Lasa saina mitoreo no sady manala sorisory
Ny sorisory mapahory izay tsy nahitana tory.
Fa to malasa saina ka maha lasa ny vinany
Ny vinany lasa lavitra any andafy tsy tazako any.
. Ainga tsy tana. ny faha 16.01.23 in Jordanie
Tsiky Andrian
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
TsikyAndrian
