Andeha ry aiko matoriza (TSILOKO Mahadiny)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andeha ry aiko matoriza.
Fa i Neny mbola hiandry ny fodian' i Dada indray.
Mbola hiandrandra latsalatsa sy ny daroka kitay.
Izay tambavy ho antsika fa fiononana ho azy.
Matoriza sombin' ny aina fa i Neny miandry sazy.


Aza mihevitra hiaino ny teny boraky ny toaka.
Izay fanaon' i Dadanao ndrao izany no handoaka
Izato fo miefitrefitry ny taonanao zay mbola kely.
Matoriza sombin' ny aina fa i Neny miandry vely.

Ny nofinao apongapongatra ao anaty torimaso.
Fa misalo-drahoraho sy mifonofono ankaso.
Ny fiainan-koavinao, mila anao mijoro izany.
Ka andeha ianao matory f'i reninao hitomany.

Tsia ry Neny â, tsy ekeko !
Ny fanapoizanao mangidy noho ny ditran-dehilahy.
Miharo latsa sy ny daroka, rahom-bava mampanahy.
Tsia ry Neny â, izaho tsy hatory !
Fa hiara-kizaka izay zakainao anio.
Miara-miosina eto isika na ho loto na ho dio.
Ka hikiry hanao vivery, izay sombintsombin-kery.
Hanampiana anao ry Neny, tena hery tsy an-tery !
........
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1885 3
Mpakafy: Bocassa - nikopol - tiaraj
Hevitra mandeha
nikopol ( 26/08/2005 11:14)
tononkalo hafa na rindra na votoatiny. omeko isa 5
fiaritiana ( 26/08/2005 18:20)
tsara be,tsy izay fotsiny fa mitondra hafatra, misaotra e
SOBIKA ( 25/05/2007 08:34)
Hoa nireo lehilahy mandalo eto ka mahita dia aza adino ny hafatra omena anao! mba ilazao ireo namanao! fa misy any ho any no toa dia mampijaly!mampitondra faisana ilay akany.....
tiaraj ( 01/02/2008 20:30)
Mahereza izay sendra an'izao fa tsy misy rtsy noho ny ratsy safidy amin'izay hizara ny fiainana any aoriana... Aza mihomehy ianareo raha lazaiko fa marobe ireo TENA miaina io tononkalo io ary izaho anisany fa amin'ny endriny hafa... Mahereza fa Andriamanitra tsy mandao
Laaris ( 16/07/2012 10:43)
ho anao reny tratran'io,
d izao no tadidio
,misy ts amp anaz ao a@nao
ka jerevo raha azo atao.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSILOKO Mahadiny
Nampiditra : Bocassa
Daty : 26/08/2005 08:51
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147