FANAHY ROA (Kazary2006)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tendrimbohitra iray mena
Ilay fanahy no jerena
Raha sendra misaina
Satria ny fanahy no aina


Diary sarobidy ho any olona
Singa iray tsy azo amidy fa mihonona
Dia ny olona no manavaka
Ny iray tsia, eny ny iray mivavaka


Mirakitra ao anaty
Selam-panahy tsy mety maty
Fototra ihandradian'ny fo
Zavatra iray manana toetra ro(a)


Fanahy no resasaina
Izy dia miaina
Ao anatin'ny olona
Ao izy no mihonona


Ny ratsy sy ny tsara
Dia toetrany
Io efa anjara
Ka iharetany


FK MAHAVITA : 20/10/2025
_______KAZARY_______
--------
Lien:
Catégorie : Ahy - Aingam-panahy
122 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117