MBOLA MINTEPO (Kazary2006)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avy taiza ?
Ary ho aiza ?
Ianao ry tiana
Sa avy any amin'ny olon-tiana. ?

Kilema mo(a) ny tena ka tsy afa-mihetsika
Ny fitiavanao ahy efa ho rendrika
Avela irery ato an-trano
Eo mbola hitantarana angano

Mody manaiky ny tena
Fa ny tenanao efa haboridana eny an-tsena
Hanao ihany io rahavako
Fa mbola mintempo aminao ny fitiavako

Hanao ihany io ravady
Ka enohiko ihany ny teninao na dia vandy
Tsy maninona re ramalala
Fa ny foko aminao efa lasa adala

Fa ianao ihany no sisa, handrasako
Ary ny hitia anao no ataoko, asako
Ianao ihany no sisa, hantenaina
Ka ny hiverenanao, aty amiko no handrandraina

Anao ihany io ry tiana
Na inona no ataonao
Koa raha reraka aza variana
Fa mba tsarovy ihany ny vadinao


FK MAHAVITA :05/10/2025
_______kazary_______
--------
Rohy:
310 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117