RANOMASO (Kazary2006)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anio ianao no mitomanyIzany hoe: ory
Raha reraka vokatry izany
Ndehana matory
Aza dia mampiasa saina
Raha reraka mba maka aina
Samy io mandanjalanja ny atao
Indrindra fa ny fisainanao
Aza dia habaribary
Ny hoe: ny fiainana tsy manjary
Fantaro fa ny olona tsy lavorary
F'Andriamanitra no nahary
Tsy ianao foana
No malahelo
Fa ny tsirairay miandry fotoana
Tsy maintsy ory raha mbola velo
Mitomania raha mafy
Fadio ny hamonotena sao dia ho faty
Fa mitadiava vahaolana
Ny ranomaso no mampihena ny olana
Zakaina ny tsy zaka, hiaretana ny mafy
Ny olana tsy ahitana ny any an-dafy
Fa zakaina na tsy zaka matsy
Satria io no lalana hialana amin'ny faty
FK MAHAVITA : 20/10/2025
_______KAZARY_______
--------
Lien:
Fans:
TSIMALAHY
