TSY ANROANY IHANY (Kazary2006)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandalo ady mafy ianao androany
Dia malahelo tsy mety mihonona fa mitomany
Mitady fomba mba hialan'izany
Tsy mahita dia hamafisina ny tomany


Mihevitra fa irery ianao
Dia malahelo izato fo
Aza kivy fa tompo homba anao
Dia hampihonona anao toko(a)


Manana olana ianao androany
Dia mitomany tsy mety mitrahatra
Fantaro fa tsy androany ihany
Io fiainanao io mbola ho tafatraka


Zoky e, tsy androany ihany
Zandry e, mbola hiova io indray andro any
Rahalahy a, mahereza amin'izany
Ranabavy a, tohizo foana ny fiainana eto an-tany


Tsy androany ihany
Fa ny fiainantsika mbola hisy fiovany
Tsy androany ihany
Io fiainantsika io mbola ho mamy


Raha misy ny mampalahelo
Dia aza mamonotena amin'izany
Misaora an'i Jehovah raha mbola velo
Ary io fiainantsika io, tsy androany ihany


FK MAHAVITA : 20/10/2025
_______KAZARY_______
--------
Lien:
141 1
Fans: TSIMALAHY
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116