Embona (yarnjat)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hadalana sa hadisoana ho ahy
Ny hametsoventso anao , tamberina tsy nahy
Anaty nofinofy , eritreritra am-panahy
Ty fo toa manantena fa feno ahiahy


Dia mbola ho nofy foana ve sanatria?
Ny rediredin'ity foko nanambara ilay fitia
Sa tsy natao ho antsika roa ny hiara-tsambatra ho doria
Dia velona tsy miara-miana na dia samy tia


tsy afaka ato an-tsaiko reo fahasambarantsika
Ilay nofinofy izaho sy ianao hiaraka hiampita
Hanolo hafanana ny hirifiry sy ny hatsiaka
Saingy indrisy toa voalahatra tsy hifankahita


Toa tafara-dalana izaho sy ianao indraindray
Voatery mieritreritra fefa roa 'lay fo anakiray
Tsy maintsy koa afenina 'lay fitia nivaivay
Tsy antenaina intsony f'efa rakotra ahiahy


yarnjat
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1446 0
Commentaires
yarnjat ( 25/06/2014 18:35)
Rehefa mba mitia dia aleo mitia hatramin'ny farany e! mba tsy hisian'ny fanenenana any aoriana any, raha mbola azo sorohina ihany koa ny ady dia tano ny azo fa sarotra ny mila e!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : yarnjat
Inséré par : yarnjat
Date : 25/06/2014 18:32
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138