O RY DADA! (Yhardina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
... Tsy mba antra ve ny fonao zay loharano
F’ireto zanakao tsy mandry ambany tafo-trano?
Nefa mba anananao ny isitrian-doha
Nahoana re ry dada no dia manamafy fo?
Dia mirenireny mitady zay arapaka
Ny hany azo atao dia ny mangataka
Mitsindroka izay natokana ho ariana
Sisasisa,tsy ilaina,ny eny an-joridira
Sitrakao ve ry dada,ny tsy andre ny fitarainako
Ateraky ny ririnina,itanisan’ny fisainako
Hoe: dada any zay mitafy dia mibofoka
Zahay aty tsy mianjaika afa tsy akanjo rovitra
…
Kamboty no anarana nentinay hatrizay
Kamboty izahay anefa mbola velon-dray
Ray mahafoy sy tsy mahalala adidy
Mamela samy irery ho kamboty ny ankizy
--------
Lien: