NENY Ô ! (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NENY Ô ,

'Zao vao fantatro ry Neny fa tena mbola zaza marina aho,
Toa voankazo maintso tsy te-hisaraka aman-taho
Ka ho main'ny danin-kandro, ho montsanin'ny fotoana,
Ho fatimomoka mihintsy, tsy ho tsaroana toy ny foana.

'Zao vao fantatro fa hay ireny tambitamby ireny
'Zay noheverina ho tsy ho inona fa natao ho teniteny lasalasa fotsiny any...
Any andro...any taona...
Misy alahelovana azy fa tena zava-mendrin-tsaona.

'Zao vao fantatro fa hay ny bedinao lavareny,
Sy izaho tezeranao fa niteny ny tsy fiteny!
Dia fanilo nanazava ny lalana hodiaviko
Dia tsaroko ankehitriny fa mpanamboatra ny hoaviko.

'Zao vao fantatro tokoa ny fampianarana nomena
'Zay nafafinao ho ahy sy nandaniana harena mba hitsinjovana ity zanaka...
Dia voatsiahy...tsy nivaona...
Satria, injao henoko mipaika ilay ora sy fotoana.

Raha lasa i Dada fiangotiana, ilay nataonao andry, fehizoro,
Tao ny maro no naniry ny hidaraboantsika sy ho toro,
Nefa ianao tsy nanaiky fa lasa nitsangana ho mpiady
Ka ny ampinganao Fitiavana, nampian'ny toky ho Kiady.

Neny ô! Dia indro ianao niroso ary tsy te- hahalala...

Fa ilay volonao sahondrahondra, bakorakora nozahana
Zary nihintsana, nanify noho ny adin-tsainao mazàna,
Ilay tongotrao tsy mpandia na nanitsaka tahala,
Lasa kibotainan'ny asa sy vakivakin'ny fanala.


Ny tananao malemilemy, ny rantsanao malefadefaka
Indro zary feno kitro, zary henjana, mihempaka
Ireo masonao baribary fibanjinanao ahy hatrany
Toa bongon'ny adin-tsaina raha sendra aho ka tomany.

Neny ô! nofonoisinao ny vatsy

Nampianarinao mba handefitra, tsy hanenjika ny tsy manana
Ary tsy hitsiriritra ny hafa fa hionona amin'izay ananana
Notoroinao hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy
Mba hahaizako manorona ny ho aviko atsy ho atsy.

Dia nampianarinao nivavaka,
« tokana ihany anaka ô! Aza atao mihaotra ny iray »
Dia ny Fahendrena izany, izay no angataho amin'ilay Ray
Fa raha hazonao io dia maneke ianao fa sambatra
Fa ao anatiny avokoa ny haren-drehetra, voatambatra.

Isanandro ianao dia te-hanamafy ny finoana ato ampoko
Mba tsy hivako hevitra amin'ilay Andriamanitra tompoiko
Noraranao ny rendrarendra sy ny akosobolamena
Fa misy andriamanin-kafa tsara ho atsipy sy hosena.

Ny fiainantsika Neny dia toa henika hasambarana,
Rehefa mihaona isika dia hadinono ny hasasarana,
Indro ianao fa feno tsiky raha injay misandratra ny hira,
Ka ny adin-tsaina rehetra voampirina an-dakira.

Lehibe aho vao mahatsapa fa itako ny masoandro
Banjiniko ny lanitra avo mambomba ahy isanandro
Ny rahona, ny kintan-kely, ny volana, ny abakabaka
Votoatin'ireo hirako misaritsari-tonombavaka.


Neny ô!

Amin'ny teny vitsivitsy, ho antitra sy ho konka ianao
Nefa izany no vao maika mamatotra ahy aminao,
Toaviko, hobiko ary deraiko i Neny Havako,
Mitombo ny andro ahavelomako,
Mitombo koa ny Fitiavako.


Zozoro
--------
Rohy:
4567 2
Hevitra mandeha
benasy ( 09/06/2009 15:13)
Sambatra Ineninao... ! Sy ny Reny rehetra.
rurale ( 16/06/2009 08:12)
Tena tiako be le izy sady tena miantraika ao am-po r'se fa misaotra an!
mendrika hoan'ilay reny tokoa ireo teny ireo ho fankaherezana azy.
endrika01 ( 21/06/2009 10:46)

tsy misy manana fitiavana mitafotafo
tsy mety lany afa-tsy 'lay reny irery ihany!



nyratsima ( 18/07/2009 21:49)
tsara tokoa ! fitiavan'i reny no mamy indrindra ! sambatra ianao mbola manana azy !
Zozoro ( 20/07/2009 17:13)
Ekeko avokoa ny voalaza. Mbola hafa ihany i Neny ô !

NYRATSIMA : Na tsy eo intsony aza Izy : Raha mbola misy ao aminao ny fahatsiarovana azy, dia tsy maty izy tsy akory. Aoka tsy ny fahalasanany no anatsatso ny mamy navelany.
nyratsima ( 20/07/2009 21:31)
misaotra zozoro a !tsy adino mihitsy ny soa napetrany kah ! sady mifanojo indrindra fa mitsingerina androany ny nahafatesan'i mamanay e !mandry ampiadanana tokoa anie izy !!!
ANJARA7 ( 15/08/2009 11:35)
eny aky ry Neny tiko na efa lasana aza ianao,de miraikitra ho tadidy reo adidy vitanao,tsara be lay ventsonao zozoro!
ANJARA7 ( 15/08/2009 11:35)
eny aky ry Neny tiko na efa lasana aza ianao,de miraikitra ho tadidy reo adidy vitanao,tsara be lay ventsonao zozoro!
volana1 ( 13/09/2011 11:29)
Mama tiako sy lalaiko
Na tsy eo intsony aza ianao
Dia injao henoko manako
Ato am-poko ny teninao

Mitsingerina rampitso
Ny fotoana nahaterahanao
Dia androany dia efa ditso-
Pahatsiarovana anao

Raha mba teto mantsy i mama!!!!

13/09/11 (14 h 30)
Zozoro ( 13/09/2011 17:37)
Eo izy fa tsy lavitra ary tsy maty izy akory raha mbola velona ao amponao ny fahatsiarovana azy.
Mahereza, ary velomy ao am-po hatrany ny aminy tontolo.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112