Sambàra (Aingankalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahità ny soa, mahita ny tsara
Izaho efa tsy anjara, nivalona ho tantara,
Tohizo ny lalana, efa iny ny sampananana,
Adinoy ilay notiavina, aza raisina ho namana.

Te hiteny aho hoe, mandrapihaona
Saingy aleo ny aloka alavirina tsy hitondra hatsiaka,
Te hiteny aho hoe, any anaty nofy indray mihaona,
Saingy nofy ririnina efa dilan'ny maraina ny amintsika.

Ka tso drano no atolotro: sambara!
Ravao tsiky ny endrikao hibaliaka,
Hafaliana sy haravoana hameno ny ampitso,
Ny omaly sy ny lasa aleo hiamboho any afara.

06/09/2024 13:07
--------
Rohy:
141 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aingankalo
Nampiditra : MikaloAina
Daty : 09/09/2024 12:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137