Ry tononkalo! (aladin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry tononkaloko ô! Nomeko aina ianao
Ka indro ny didy izay hotanterahinao
Dia hilaza sy hanambara Izany fitiavako
Ho an'izay olona izay dia ilay iriko sy malalako

Ianao no hisolo vava, ianao handresy lahatra
Ka hatramin'ny farany, aoka ianao tsy hitsahatra
Dia lazao fa izy dia tiako tena tiako
Ka ny fanekeny izany no hany ho fifaliako

Lazao koa fa izy no tena hasambarako
Dia ny anarany foana no tsy afaka ao am-bavako
Ilay endriny sariaka, ilay tsikiny baliaka
Dia raikitra ato an-tsaiko tsy azo hodian-tsy hita

Dia ambarao fa fitiavana madio no atolotro azy
Ilay fitia avy ao am-po fa tsy mba vazivazy
Fitia sahy hisedra izay rehetra mety hiseho
Fitia ho mamy hatrany fa tsy mba hankaleo

Ry tononkaloko ô! Tanterao izao didy izao!
Satria izany mantsy no antom-pisianao

R. rado na aladin
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3518 1
Mpakafy: aladin
Hevitra mandeha
Karajia ( 12/05/2004 15:50)
fa mba iza loatra izao ol izao e ?
aladin ( 19/05/2004 07:39)
izao oul 'zao ve?any izy any e!hhhhmmmm!!
hihihi!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : aladin
Nampiditra : aladin
Daty : 26/04/2004 07:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142