Namako tora-droa (Andrimaranitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny namako tora-droa?
Dia ilay namako lalina am-po
Fa tsy toy ilay namako tora-telo
Fahavaloko hangarihako toy ny avelo

Mamolavola ny fiainako
Manatevina ny fisainako
Manatapoka ny rako mangotraka
Manotranotra ahy rehefa trotraka

Ny masoko sisihanao mazava
Ny oroko tsetsafinao valava
Ny sofiko kaloinao arira
Ny molotro alelanao mamy sy masira

Mitsangam-bolo ny tanako rangotinao
Mangilikilika ny tongotro asafotofotonao
Marotsaka ny lamosiko mibaby anao dinitra
Mibontsina ny hozatro sy ny tratrako manoloana anao vinitra

Namako tora-droa : tsy vadiko ihany
Havako tora-telo : Fahavaloko
Tiako ity farany eto an-tany
Heriko fahaefatra ho baboko amin\'izato kaloko.
--------
Rohy:
1307 0
Hevitra mandeha
Mahefakely ( 03/09/2007 14:45)
mahafinaritra, tena kanto : tohizo ny asa soratra ary kalio tsara. mankasitraka tompoko
Andrimaranitra ( 29/05/2023 22:21)
Mankatelina tompoko
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102