andriamanitry ny tany (Andrin'ny Avo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny andriamanitry ny tany
hono izany zavatra izany

fa maniry raha maniry
hanana azy feno tanana
nefa izao mamirifiry
vao mahita izay hinanana

zahavina rahampitso
ny arapaka androany
dia tsitsiana andro fito
Ireo sisan'ny omaly

andro enina amim-pito
anenjahana azy aoriana
na maraina na alim-pito
sady atao tsy atoriana

Izy hono mampifaly
nefa izay mikatsaka azy
toa moto-dava sy mijaly
asa angamba vazivazy?

dia voakilasy ho toko telo
ankilany ny antonony sy ny manana
ary andafiny ireo 'zay malahelo
ka ny habetsan'ny an-tanana
no mahatsara fihavanana

dia nisy ireo fahanana
taratasy no fanolony
ireo mpamahana eny amoron-dalana
'zay tsy mikaly izay natonony
hoy izy raha izao tsy mba niriako
fa 'ty vidio mba ikaliko

misy ireo mitabataba
hoe tsy manana azy lava
nefa anaty bara no mamahana
ny mpivarotra hatao namana

eo koa ny sipa kely
vao mahatazana azy am-paosy
dia manokatra ny feny
sy manipaka ny bossy
fa bogossy tsisy an'azy
aleo mivaro-mokonazy

misy indray ny kamo hitady
fa nahita vahaolana
dia ny fisintonana an'ady
sy ny famonoanana olona

Iny olona iny tsisy tsiny
ary tsisy izay tsy ananany
tsy misy tsy azony ny iriany
dongagonda ireo zanany
ilay mandona tsy mivily
mpanam-bola no anarany

ny andriamanitry ny tany
hono 'zany vola 'zany
taratasy no andriamaniny
Hoy aho:mahantra kosa no anarany
hoy 'zalah:andriamanitra ny saosy!
hoy aho, ny ahy zalah! ny Andriamanitro: Jesosy!
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1709 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101