ANDROM-PAHANTERANA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandroso ny andro,
ny volana, ny taona;
toy ny masoandro,
miatrana eo anoloana.

Ilay hoditra nalefaka,
fony mbola zaza;
mikentrona, milepaka,
hoy ireo be filaza.

Ireo tongo-mailamailaka,
mpanao dia an-katoka;
manana olana mandàka,
mihisatra, mitsatoka.

Ilay tanana havanana,
amin'izay rehetra atao:
lasa votsa, tsy namana,
isanandro vaky izao.

Ilay saina tena naranitra,
nahafehy solosaina;
lasa tena very hanitra,
tsy azo intsony antenaina.

Ireo maso roa nahiratra,
afa-nijery nahita tsara;
mila tsy mety mihiratra,
tsy mahalala maramara.

Ilay avokavo-nisefoana,
namelombelona ny aina,
sempo-dava eny foana,
mila hahaverivery saina.

Ilay fo afa-niatrika,
ny fisedrana nahamay;
tsy afa-kifanatrika,
amin-javatra tsy hay.

izay raha bangoina fohy,
ny androm-pahanterana;
tsy voavina ny mety hitohy,
ny hiseho tsy hita ho ferana.

Fotoana fanararaotra,
ny androm-pahatanorana,
tsy ho lany andro loatra,
hanamparan-kadalana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
23 Janoary 2020
--------
Rohy:
1599 6
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 04:28)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151